Deuteronomy 3:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Aza matahotra azy ianao fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary araka izay nataonao tamin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tao Hesbona, no hataonao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iaveh tamiko: Aza matahotra azy, fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nonina tany Hesebona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay, dia hoy ny TOMPO tamiko: «Aza matahotra an’i Hôga ianareo, fa efa natolotro eo an-tananareo izy sy ny tafiny manontolo mbamin’ny taniny; ary ny hataonareo amin’i Hôga dia araka izay nataonareo tamin’i Sihôna mpanjaka amôrita, izay nonina tao Hesbôna.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin'ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Aza matahotra azy ianao fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary araka izay nataonao tamin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tao Hesbona, no hataonao aminy.
malagasy