Deuteronomy 3:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andriamanitra TOMPO ô, Ianao vao naneho tamin’ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahavita tahaka ny asanao sy ny herinao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry Iaveh Tompo ô, vao naneho ny halehibeazanao sy ny tananao mahery tamin’ny mpanomponao Ianao, fa na any an-danitra na etỳ an-tany, aiza moa no misy andriamanitra mahefa ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, vao nanehoanao ny fahalehibeazanao sy ny fiarovanao mahery aho mpanomponao. Fa, na any an- danitra na eto an-tany, aiza no misy andriamanitra mahay manao araka ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao?
Malagasy Bible 1865
Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin'ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andriamanitra TOMPO ô, Ianao vao naneho tamin’ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahavita tahaka ny asanao sy ny herinao?
malagasy