Deuteronomy 3:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia azontsika ny tanànany rehetra tamin’izany andro izany ary tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enimpolo, ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan’i Oga tany Basana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Afatsîka ny tanànany rehetra tamin’izay; tsy nisy tsy azontsika tamin’ireny na dia iray aza, dia tanàna enimpolo, ny faritany Aragôba rehetra, ny fanjakan’i Oga tany Basàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Afatsika tamin’izay ny tanànany enimpolo izay nanjakàn’i Hôga manerana ny faritany Argôba manontolo tao Basàna.
Malagasy Bible 1865
Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany, tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan'i Oga tany Basana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia azontsika ny tanànany rehetra tamin’izany andro izany ary tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enimpolo, ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan’i Oga tany Basana.
malagasy
Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany, tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan'i Oga tany Basana.