Deuteronomy 30:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
raha mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao, amin’ny fitandremanao ny didiny sy ny lalànany, izay voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity, ka miverina amin’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka mitandrina ny didy aman-dalàna voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity, raha miverina amin’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra, sy amin’ny fanahinao rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
satria manaiky ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka mitandrina ny didy aman-dalàny, izay voasoratra amin’ity bokin’ny Lalàna ity, ary satria iverenanareo amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo ny TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
raha mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao, amin’ny fitandremanao ny didiny sy ny lalànany, izay voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity, ka miverina amin’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo.
malagasy