Deuteronomy 30:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny nandidiako anao androany dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ka handeha amin’ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalànany mbamin’ny fitsipiny. Mba ho velona ianao sady hihamaro, ary mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
tamin’ny nandidiako anao androany ho tia an’i Iaveh Andriamanitrao sy handeha amin’ny lalany, ary hitandrina ny didy aman-dalàny mbamin’ny fitsipiny, mba ho velona ianao, sy hihamaro ary hambinin’i Iaveh Andriamanitrao any amin’ny tany efa hidiranao mba hanananao azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha ankatoavinareo ny didin’ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo anio, ka hotiavinareo Izy sy hizoranareo ny sori-dalany ary hotandremanareo ny didy aman-dalàny mbamin’ny fitsipiny, dia ho velona ianareo ka hihamaro, ary hotahîn’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana.
Malagasy Bible 1865
tamin'ny nandidiako anao androany ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny nandidiako anao androany dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ka handeha amin’ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalànany mbamin’ny fitsipiny. Mba ho velona ianao sady hihamaro, ary mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana.
malagasy