Deuteronomy 30:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra Aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba razanao, homena azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrao, sy fihainoana ny feony, ary firaiketana Aminy, fa izany no fiainanao sy andro lava honenanao any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, razanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tiavo ny TOMPO Andriamanitrareo ka ekeo sy ifikiro, fa izany no hahavelona anareo sy hahamaro ny andro honenanareo any amin’ny tany izay nianianan’ny TOMPO tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo fa homena azy.
Malagasy Bible 1865
dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra Aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba razanao, homena azy.
malagasy