Deuteronomy 30:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hampodin’NY TOMPO Andriamanitrao avy amin’ny fahababoanao ianao; ary hamindra fo aminao izy ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra izay nampielezan’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
i Iaveh Andriamanitrao kosa hampody izay babo aminao sy hamindra fo aminao. Hangoniny avy amin’ny firenena nanelezan’i Iaveh anao indray ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia haverin’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fiainanareo taloha ianareo sady hamindrany fo, ka hangoniny indray avy any amin’ny firenena rehetra nampielezany anareo.
Malagasy Bible 1865
dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hampodin’NY TOMPO Andriamanitrao avy amin’ny fahababoanao ianao; ary hamindra fo aminao izy ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra izay nampielezan’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
malagasy