Deuteronomy 30:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hataon’NY TOMPO Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin’izay hahasoa anao, dia amin’ny asan’ny tananao sy ny ateraky ny kibonao ary ny ateraky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao. Fa ho faly aminao indray NY TOMPO ka hanasoa anao, araka izay nampifaliany ny razanao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hanototra soa anao i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny asan-tananao, ny naloaky ny kibonao, ny teraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, fa hifaly aminao indray i Iaveh manisy soa anao, toy ny nifaliany tamin’ny razanao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hataon’ny TOMPO Andriamanitrareo manana amby ampy ny soa hafafiny aminareo: hambininy avokoa ny asanareo; ho maro anaka ianareo; ho maro taranaka ny biby fiompinareo; ary hiavosa ny vokatry ny taninareo. Araka izay nifalian’ny TOMPO nanasoa ny razambenareo no hifaliany hanasoa anareo koa,
Malagasy Bible 1865
Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hataon’NY TOMPO Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin’izay hahasoa anao, dia amin’ny asan’ny tananao sy ny ateraky ny kibonao ary ny ateraky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao. Fa ho faly aminao indray NY TOMPO ka hanasoa anao, araka izay nampifaliany ny razanao,
malagasy