Deuteronomy 31:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ny teny ka hatahorany NY TOMPO Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vorio avokoa ny vahoaka, na lahy na vavy, na ankizy na vahiny eo anatin’ny vavahadinao, mba hihaino ka hianatra ny hatahotra an’i Iaveh Andriamanitrareo, ka hitandrina tsara sy hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, ary na dia ny vahiny ao an-tanànanareo aza, mba hihainoany sy hianarany izany ka hanajany ny TOMPO Andriamanitrareo sy himasoany hanatanteraka ny teny rehetra raketin’ity Lalàna ity.
Malagasy Bible 1865
Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ny teny ka hatahorany NY TOMPO Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.
malagasy