Deuteronomy 31:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an’i Josoa ary mijoroa ao amin’ny tranolay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha i Mosesy sy i Josoa ka nijoro tao amin’ny tranolay fihaonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro, antomotra ny fotoana hahafatesanao; koa antsoy i Jôsoe, ary tongava ao an-trano lay fihaonana ianareo, mba hanomezako azy ny didiko.» Dia nandeha nankao an-trano lay fihaonana i Môizy sy i Jôsoe,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro antomotra ny andro hahafatesanao; koa antsoy i Josoa, ary tongava eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ianareo mba hameperako azy. Dia nandeha nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Josoa
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an'i Josoa, ary mitoera ao amin'ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin'ny trano-lay fihaonana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an’i Josoa ary mijoroa ao amin’ny tranolay fihaonana* ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha i Mosesy sy i Josoa ka nijoro tao amin’ny tranolay fihaonana.
malagasy
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an'i Josoa, ary mitoera ao amin'ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin'ny trano-lay fihaonana.