Deuteronomy 31:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, hodimandry any amin’ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamanitra hafa any amin’ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekena nataoko taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro efa ho tafandriana any amin’ny razanao ianao, ary ity vahoaka ity hitsangana hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa any amin’ny tany efa hidirany. Handao Ahy izy ary hivadika ny fanekena nataoko taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hodimandry any amin’ny razanao ianao; ary ity vahoaka ity kosa hiainga hanompo sampy ka hanaraka andriamani-kafa tompoina any amin’ny tany izay efa hidirany honenana. Hilaozany Aho ary hivadihany ny fanekempihavanana izay nataoko taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin'ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin'ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, hodimandry any amin’ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamanitra hafa any amin’ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekena nataoko taminy.
malagasy