Deuteronomy 31:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izay andro izay ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’io andro io ihany hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izany, hafoiko izy, ary hafeniko aminy ny Tavako, ka dia hataon’ny olona levona izy, sady hianjeran-doza amam-pahoriana be dia be. Izay vao ho vaky hoe: Moa ve tsy noho Andriamanitro tsy eto amiko no nianjeran’izao fahoriana izao amiko?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hirehetan’ny fahatezerako amin’izany andro izany ity vahoaka ity ka hilaozako ary hanafenako ny tavako; hataon’ny olona levona izy sady hianjadian’ny loza amam-pahoriana maro. Amin’izany andro izany no hitenenan’ny Israelita hoe: «Noho Andriamanitra tsy eto aminay no mahatonga anay hianjadian’izao fahoriana izao!»
Malagasy Bible 1865
Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin'izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin'izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran'Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izay andro izay ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’io andro io ihany hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
malagasy