Deuteronomy 31:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ankehitriny, soraty ho anareo izao tononkira izao ka ampianaro ny Zanak’Israely ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao tononkira izao mba ho vavolombelona amin’ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Koa soraty izao tononkira izao. Ampianaro ny zanak’i Israely, ary ataovy eo am-bavany mba ho vavolombelona hoentiko miampanga ny zanak’i Israely izany tononkira izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ankehitriny, aoka hisy hanoratra izao tononkira hampitaiko aminareo izao; ka ianao, ry Mosesy, no mampianara azy amin’ny Israelita. Ary aoka tsy ho afaka am-bavan’ny Israelita izany tononkira izany mba ho vavolombelona hiampangako azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak'Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin'ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ankehitriny, soraty ho anareo izao tononkira izao ka ampianaro ny Zanak’Israely ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao tononkira izao mba ho vavolombelona amin’ny Zanak’Israely.
malagasy
Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak'Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin'ny Zanak'Isiraely.