Deuteronomy 31:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa rehefa entiko any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka ny andriamanitra hafa ka hanompo azy, ary handa Ahy ka hivadika amin’ny fanekeko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria izy ireo rehefa tafiditra eo amin’ny tany nampanantenaiko ny razany tamim-pianianana, tany tondra-dronono sy tantely, ka efa nihinana sy voky, ary nihamatavy, dia amin’izay izy no hivily hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy ary haniratsira Ahy sy hivadika ny fanekeko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Any amin’ny tany izay nampanantenaiko ny razambeny manko, dia ilay tany tondra-dronono sy tantely, no hitondrako ity vahoaka ity; ary hanan-kohanina izy ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa sy hanompo azy, ary hotsiratsirainy Aho ka hivadihany ny fanekempihavanana.
Malagasy Bible 1865
Fa rehefa entiko any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin'ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa rehefa entiko any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka ny andriamanitra hafa ka hanompo azy, ary handa Ahy ka hivadika amin’ny fanekeko.
malagasy