Deuteronomy 31:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha manjo azy ny loza maro sy ny fahoriana dia ho vavolombelona aminy izao hira izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ny tany izay nianianako homena azy akory izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa rehefa hidiran-doza amam-pahoriana be izy, dia izao tononkira izao no ho vavolombelona hiampanga azy, fa tsy ho very tadidy, tsy ho afaka am-bavan’ny taranany izao. Satria efa fantatro izay saina eo aminy hatramin’ny ankehitriny, na dia alohan’ny hampidirako azy any amin’ny tany nampanantenaiko tamim-pianianana aza».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hianjadian’ny zava-dratsy amam-pahoriana maro ity vahoaka ity, dia ho vavolombelona hiampanga azy izao tononkira izao, satria tsy ho afaka eo am-bavan’ny taranany. Fantatro manko ny fisainany, na dia izao ankehitriny alohan’ny hitondrako azy any amin’ny tany izay nianianako homena azy izao aza.
Malagasy Bible 1865
Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan'ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin'ny tany izay nianianako homena azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha manjo azy ny loza maro sy ny fahoriana dia ho vavolombelona aminy izao hira izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ny tany izay nianianako homena azy akory izy.
malagasy