Deuteronomy 31:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin’ny fokonareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Koa vorio eto amiko ny loholona rehetra amin’ny fokonareo sy ny mpitsara anareo, dia hanonona izao teny izao amin’ny sofiny aho, ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona miampanga azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vorio eto amiko ny loholona sy mpifehy rehetra isam-poko, mba hilazako mivantana izao teny izao; ary hantsoiko ny tany aman-danitra mba ho vavolombelona aminy.
Malagasy Bible 1865
Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin’ny fokonareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
malagasy
Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.