Deuteronomy 31:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa fantatro fa rehefa maty aho dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin’ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo amin’ny ho avy satria hanao izay ratsy eo imason’NY TOMPO ka hampahatezitra Azy amin’ny asan’ny tananareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria fantatro fa rehefa maty aho, dia hihasimba marina tokoa ianareo, dia hivily hiala amin’ny lalana nasaiko nalehanareo ianareo, ka ho tratry ny loza, any amin’ny andro aoriana any, noho ianareo nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh sy nampahatezitra azy tamin’ny asan-tananareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatro fa rehefa maty aho, dia hihasimba tokoa ny Israelita ka hiala amin’ny sori-dalana izay nasaiko hizorany; dia ho tratry ny loza ireo, any am-parany any, satria hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ireo ka hampahatezitra Azy amin’ny asany.
Malagasy Bible 1865
Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin'ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin'ny asan'ny tananareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa fantatro fa rehefa maty aho dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin’ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo amin’ny ho avy satria hanao izay ratsy eo imason’NY TOMPO ka hampahatezitra Azy amin’ny asan’ny tananareo.
malagasy
Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin'ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin'ny asan'ny tananareo.Dia nolazain'i Mosesy teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin'izao fihirana izao mandra-pahavitany.