Deuteronomy 31:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niantso an’i Josoa i Mosesy ka niteny taminy teo imason’ny Israely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razany homena azy; ianao no hampandova azy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nantsoin’i Môizy i Jôsoe, ka hoy izy taminy, teo anatrehan’i Israely rehetra: «Mahereza ary matanjaha tsara, fa ianao no hiditra miaraka amin’ity vahoaka ity, any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh tamin’ny razany homena azy ireo; ary ianao no hampanana azy ireo izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nantsoin’i Mosesy i Josoa ka nitenenany teo imason’ny Israelita rehetra hoe: –Mahereza sy matanjaha, satria ianao sy ity vahoaka ity dia hiara-miditra ao amin’ny tany izay nianianan’ny TOMPO fa homena ny razambenareo; ary ianao no hizara izany tany izany ho fananan’ity vahoaka ity.
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy niantso an'i Josoa ka niteny taminy teo imason'ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niantso an’i Josoa i Mosesy ka niteny taminy teo imason’ny Israely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razany homena azy; ianao no hampandova azy izany.
malagasy