Deuteronomy 32:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nampandeha azy teny ambonin’ny havoana amin’ny tany Izy ka nohaniny ny vokatry ny saha; Izy dia nampitsentsitra azy tantely avy teo amin’ny vatolampy sy diloilo avy teo amin’ny vatolampy vatoafo
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo ambonin’ny havoana amin’ny tany no nampiakarany azy; ary ny vokatry ny saha no nohanin’i Israely: nampitsentsefiny azy ny tantely avy amin’ny vatolampy sy ny diloilo avy amin’ny vato mafy indrindra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nakariny teo an-tendron-kavoan’ilay tany izy, nampihinaniny ny vokatry ny saha, nampitsentsefiny tantely teny an-tsefatsefa-bato, sy nomeny menaka avy amin’ny faritra vatoana;
Malagasy Bible 1865
Nampandeha azy teny ambonin'ny havoana amin'ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin'ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin'ny vatolampy afovato
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nampandeha azy teny ambonin’ny havoana amin’ny tany Izy ka nohaniny ny vokatry ny saha; Izy dia nampitsentsitra azy tantely avy teo amin’ny vatolampy sy diloilo avy teo amin’ny vatolampy vatoafo
malagasy
Nampandeha azy teny ambonin'ny havoana amin'ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin'ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin'ny vatolampy afovato