Deuteronomy 32:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
raha tsy ny fireharehan’ny fahavalo no natahorako, andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny ka hiteny hoe: Ny tananay no avo; fa tsy NY TOMPO tsy akory no nanao izany rehetra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
raha tsy noho ny tahotro ny hireharehan’ny fahavalo sy ny hahadiso hevitra ny mpandrafy azy, ka hilaza hoe: Ny tanany no nahery; fa tsy i Iaveh no nanao izany rehetra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
raha tsy ny fahavalo hirehaka no natahorako; mety diso hevitra manko ny mpandrafy azy ka hiteny hoe: ‹Ny tananay no nahery, fa tsy ny TOMPO velively no nanao izany.›
Malagasy Bible 1865
Raha tsy ny fireharehan'ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
raha tsy ny fireharehan’ny fahavalo no natahorako, andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny ka hiteny hoe: Ny tananay no avo; fa tsy NY TOMPO tsy akory no nanao izany rehetra izany.
malagasy
Raha tsy ny fireharehan'ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.