Deuteronomy 32:43 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry Jentilisa, hobio ny olony! Fa ny ran’ny mpanompony no hovaliny. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, ary hanao fanavotana kosa ho an’ny taniny sy ny olony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry firenena, aoka hanao horakora-pifaliana ianareo, ho voninahitry ny vahoakany. Fa valian’i Iaveh ny ran’ny mpanompony asiany valim-bonoana izay mandrafy Azy. Dia manao fanonerana ho an’ny taniny, ho an’ny vahoakany Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry hafa firenena, hobio ilay vahoakan’Andriamanitra! Fa valian’ny TOMPO ny nahafatesan’ny mpanompony; eny, valiany tokoa ireo mpandrafy Azy, ary avotany kosa ny taniny mbamin’ny vahoakany.
Malagasy Bible 1865
Mihobia, ry jentilisa mbamin'ny olony; Fa ny ran'ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an'ny taniny sy ny olony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry Jentilisa, hobio ny olony! Fa ny ran’ny mpanompony no hovaliny. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, ary hanao fanavotana kosa ho an’ny taniny sy ny olony.
malagasy
Mihobia, ry jentilisa mbamin'ny olony; Fa ny ran'ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an'ny taniny sy ny olony.