Deuteronomy 33:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, tandrok’ombimanga ny tandrony; izany no hanotoany ny firenena rehetra, dia ny faran’ny tany; ireo no alinalin’i Efraima sy arivoarivon’i Manase.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
An’ny ombalahiny voalohan-teraka, azy ny dera, tandrok’ombimanga no tandrony; amin’io no hanotoany ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany. Toy izany ny alinalin’i Efraima, Toy izany ny arivoarivon’i Manase».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Homem-boninahitra anie ny taranak’i Jôsefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin’ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin’ny fokon’i Efraîma sy ny miaramila arivoarivon’ny fokon’i Manase.»
Malagasy Bible 1865
Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok'ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran'ny tany; Ireo no alinalin'i Efraima Sy arivoarivon'i Manase.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, tandrok’ombimanga ny tandrony; izany no hanotoany ny firenena rehetra, dia ny faran’ny tany; ireo no alinalin’i Efraima sy arivoarivon’i Manase.
malagasy
Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok'ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran'ny tany; Ireo no alinalin'i Efraima Sy arivoarivon'i Manase.