Deuteronomy 33:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy: Avy tao Sinay NY TOMPO ary niseho tamin’ireo avy tany Seìra; niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; ary avy tao amin’ny masiny tsy omby alinalina; nisy afon’ny lalàna ho an’ireo teo ankavanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy izy: «Tonga avy tany Sinaia i Iaveh, niposaka ho azy ireo avy any Seira Izy; namirapiratra avy ao an-tendrombohitra Faràna Izy, ary nivoaka teo afovoan’ny masina tsy omby alinalina; ary nitselatra ho azy ireo avy eo ankavanany ny tsirim-pahazavana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga avy tany Sinay ny TOMPO, avy tany Sehîra no nisehoany tamin’ny vahoakany, avy tao an-tendrombohitra Paràna no namirapiratany. Otronin’ny anjely alinkisa no nahatongavany; avy teo amin’ny tanan-kavanany no nanjelanjelatra ny lalàna.
Malagasy Bible 1865
Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin'ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn'afo ho an'ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy: Avy tao Sinay NY TOMPO ary niseho tamin’ireo avy tany Seìra; niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; ary avy tao amin’ny masiny tsy omby alinalina; nisy afon’ny lalàna ho an’ireo teo ankavanany.
malagasy