Deuteronomy 33:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nizaha izay voaloham-bokatra ho an’ny tenany izy, fa teo ny anjaran’ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin’ny lohan’ny firenena izy, ary araka ny fahamarinan’NY TOMPO no nataony, sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nifidy ny voalohan-tany ho azy izy; fa anjara-mpifehy no voaafina ao, ary nandroso nialoha lalana ny vahoaka, nanatanteraka ny fahamarinan’i Iaveh izy sy ny fitsaràny, niaraka tamin’i Israely».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahazo ny zaratany tsara indrindra ho azy izy, dia anjara voatokana ho an’ny mpifehy; avy eo niaraka tamin’ny lehiben’ny vahoaka izy ka nanao ny marina soritan’ny TOMPO sy ny fitsipiny hanasoavana an’i Israely.»
Malagasy Bible 1865
Nizaha izay tsara indrindra ho an'ny tenany izy, Fa teo ny anaran'ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin'ny lohan'ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan'i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nizaha izay voaloham-bokatra ho an’ny tenany izy, fa teo ny anjaran’ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin’ny lohan’ny firenena izy, ary araka ny fahamarinan’NY TOMPO no nataony, sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ny Israely.
malagasy