Deuteronomy 33:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sambatra ianao, ry Israely; iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’NY TOMPO, ampingan’ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao? Hikoy anao ny fahavalonao, ary hitsahinao ny havoanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sambatra ianao, ry Israely! Zovy moa no toa anao! Fa ianao dia vahoaka voavonjin’i Iaveh, izay ampingan’ny famonjena anao, sabatry ny voninahitrao. Hihatsaravelatsihy eo anoloanao ny fahavalonao, fa ianao kosa handia ny havoany».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sambatra ianareo, ry Israelita! Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin’ny TOMPO? Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo. Hikoy aminareo ny fahavalonareo, ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.»
Malagasy Bible 1865
Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin'i Jehovah, Ampingan'ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sambatra ianao, ry Israely; iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’NY TOMPO, ampingan’ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao? Hikoy anao ny fahavalonao, ary hitsahinao ny havoanany.
malagasy
Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin'i Jehovah, Ampingan'ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.