Deuteronomy 33:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’i Joda dia izao, hoy izy: TOMPO ô, mihainoa ny feon’i Joda ka ento ho amin’ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho an’ny tenany ka manampia azy Ianao hamelezany ny mpandrafy azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao kosa ny amin’i Jodà; hoy izy: «Henoy ny feon’i Jodà, ry Iaveh, ary ento hiverina amin’ny vahoakany izy. Ny tanany no hiady ho an’i Israely ary hiaro hanampy azy hamely ny fahavalony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny amin’ny taranak’i Joda dia izao no voalazan’i Mosesy; «TOMPO ô, henoy antso ny fokon’i Joda! Ento izy hifandray amin’ireo mpiray firenena aminy; ny tanany no hiadiany ho an’ny fokony ka ampio izy hamely ny mpandrafy azy.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon'i Joda, Ka ento ho amin'ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’i Joda dia izao, hoy izy: TOMPO ô, mihainoa ny feon’i Joda ka ento ho amin’ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho an’ny tenany ka manampia azy Ianao hamelezany ny mpandrafy azy.
malagasy
Ary ny amin'i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon'i Joda, Ka ento ho amin'ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.