Deuteronomy 34:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra niala teo amin’ireo tany ngazana any Moaba i Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’i Pisga, izay tandrifin’i Jeriko. Ary nasehon’NY TOMPO azy ny tany manontolo: Gileada hatrany Dana,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niakatra avy eo an-tany lemak’i Moaba i Môizy, nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon’i Fasgà, tandrifin’i Jerikao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niainga avy teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy ka niakatra nankany amin’ny tendrombohitra Nebao, eo an-tampon’i Pisgà, izay tandrifin’i Jerikao. Ary nasehon’ny TOMPO azy avokoa ilay tany: dia ny faritr’i Gilehada tafapaka hatrany Dana;
Malagasy Bible 1865
Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jeriko. Ary nasehon'i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niakatra niala teo amin’ireo tany ngazana any Moaba i Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’i Pisga, izay tandrifin’i Jeriko. Ary nasehon’NY TOMPO azy ny tany manontolo: Gileada hatrany Dana,
malagasy
[Ny nahafatesan'i Mosesy, sy ny nandevenana azy] Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jeriko. Ary nasehon'i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana