Deuteronomy 34:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Josoa, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak’Israely ka nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Jôsoe, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’i Môizy tanana izy, ka nanoa azy ny zanak’i Israely sy nanao araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Josoa, zanakalahin’i Nona, dia feno fanahy fahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana; ka nihaino azy ny Israelita sady nanatanteraka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
Ary Josoa, zanak'i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Josoa, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak’Israely ka nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
malagasy
Ary Josoa, zanak'i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.