Deuteronomy 4:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsarovy izay hitanao tamin’ny andro nitsangananao teo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao tany Horeba, fony NY TOMPO nilaza tamiko hoe: Angony etỳ Amiko ny olona dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahorany Ahy amin’ny andro rehetra hiainany ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsarovy ny andro nisehoanao teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, tany Horeba, fony i Iaveh nilaza tamiko hoe: Angony ho atỳ amiko ny vahoaka fa hampandrenesiko azy ny teniko, mba hianarany matahotra Ahy, amin’ny andro rehetra hiainany eto ambonin’ny tany, sy hampianariny ny zanany koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza hadinoinareo ny zavatra hitanareo maso tamin’ny andro nijoroanareo teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo tany an-tendrombohitra Hôreba, fony ny TOMPO nilaza tamiko hoe: «Avondrony ho eto amiko ny vahoaka israelita, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hanajany Ahy amin’ny andro rehetra hiainany eto ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa.»
Malagasy Bible 1865
dia izay hitanao tamin'ny andro izay nitsangananao teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin'ny andro rehetra hiainany ambonin'ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsarovy izay hitanao tamin’ny andro nitsangananao teo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao tany Horeba, fony NY TOMPO nilaza tamiko hoe: Angony etỳ Amiko ny olona dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahorany Ahy amin’ny andro rehetra hiainany ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
malagasy