Deuteronomy 4:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra; ary nirehitra afo nanakatra ny lanitra ny tendrombohitra, no sady nisy haizina sy rahona ary haizim-pito teo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanatona ianareo, ka nitoetra teo ambodin’ny tendrombohitra, ary ny tendrombohitra nirehitra afo nanakatra ny tampon’ny lanitra teo afovoan’ny haizina sy rahona amana haizim-pito.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanatona ianareo ka nijoro teo am-bodin’ny tendrombohitra; nirehitra afo manaka-danitra kosa ilay tendrombohitra sady rakotra setroka mikitroka sy rahona matevina.
Malagasy Bible 1865
Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin'ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra; ary nirehitra afo nanakatra ny lanitra ny tendrombohitra, no sady nisy haizina sy rahona ary haizim-pito teo.
malagasy
Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin'ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.