Deuteronomy 4:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nomen’NY TOMPO didy aho tamin’izany andro izany mba hampianatra anareo didy sy fitsipika izay harahinareo any amin’ny tany izay hidiranareo holovana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nodidian’i Iaveh aho, tamin’izany andro izany, hampianatra didy amam-pitsipika anareo, mba harahinareo any amin’ny tany efa hidiranareo mba hakanareo azy ho fanananareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany no nandidian’ny TOMPO ahy koa hampianatra anareo lalàna amam-pitsipika mba hotanterahinareo any amin’ny tany izay efa hiampitanareo mba halainareo ho fananana.
Malagasy Bible 1865
Ary izaho nodidian'i Jehovah tamin'izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nomen’NY TOMPO didy aho tamin’izany andro izany mba hampianatra anareo didy sy fitsipika izay harahinareo any amin’ny tany izay hidiranareo holovana.
malagasy
Ary izaho nodidian'i Jehovah tamin'izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.