Deuteronomy 4:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary tandremo sao miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ny lanitra, ka ho voataona hiankohoka eo anatrehany sy hanompo azy, kanefa nataon’NY TOMPO Andriamanitrao ho anjaran’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fandrao raha miandrandra ny lanitra ianao, ka mahita ny masoandro amam-bolana sy ny kintana, dia ny zavatra rehetra milahatra eny an-danitra, dia ho voatarika hiankohoka eo anatrehan’ireny sy hanao fombam-pivavahana aminy; nefa ireny, dia nomen’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra, ho anjarany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mitandrema fandrao hiandrandra hijery ny habakabaka ianareo ka hahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana mbamin’ny planeta rehetra eny ana habakabaka, dia ho voataona hiankohoka eo anatrehan’ireny sy hanompo azy; fa navelan’ny TOMPO Andriamanitrareo ho anjaran’ny firenen-kafa rehetra eto amin’izao tontolo izao ireny fanompoan-tsampy ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin'ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary tandremo sao miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ny lanitra, ka ho voataona hiankohoka eo anatrehany sy hanompo azy, kanefa nataon’NY TOMPO Andriamanitrao ho anjaran’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra ireny.
malagasy