Deuteronomy 4:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha hiteraka sy ho loa-jafy koa ianao ka nitoetra ela teo amin’ny tany ianareo ary manao ratsy sy manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra rehetra na inona na inona izany sady manao ratsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ka mampahatezitra Azy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa avy izay hiterahanareo sy hahaloa-jafy anareo ka efa ela no nonenanareo tamin’ny tany, raha miharatsy ianareo, ka manao sarin-javatra voasikotra ho anareo, na sarin’inona izany na sarin’inona, ka manao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrareo, mba hampahatezitra Azy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ela hitoerana eo amin’ilay tany ianareo ka hiteraka sy ho loa-jafy, dia aza mihasimba toetra ka hanao sarin-javatra voasokitra ho sampinareo araka ireo endri-javatra isan-karazany ireo, na hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo ka hampahatezitra Azy.
Malagasy Bible 1865
Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin'ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha hiteraka sy ho loa-jafy koa ianao ka nitoetra ela teo amin’ny tany ianareo ary manao ratsy sy manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra rehetra na inona na inona izany sady manao ratsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ka mampahatezitra Azy,
malagasy