Deuteronomy 4:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa anontanio anie ny andro lasa teo alohanao hatramin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olombelona tetỳ ambonin’ny tany ary hatramin’ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Anontanio ny andro fahagola tany alohanao, hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza, raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana, na nisy re toy izany akory na oviana na oviana!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Diniho ange ny andro fahagola talohanareo, manomboka hatreo amin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olombelona tetỳ ambonin’ny tany. Saintsaino ange ny zava-mitranga manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny. Moa efa nisy zava-dehibe niseho na re tahaka izany ve?
Malagasy Bible 1865
Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa anontanio anie ny andro lasa teo alohanao hatramin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olombelona tetỳ ambonin’ny tany ary hatramin’ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
malagasy