Deuteronomy 4:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa va efa nisy andriamanitra izay nanandrana handeha haka firenena ho an’ny tenany, avy amin’ny firenena hafa, tamin’ny alalan’ny fizahan-toetra, ny famantarana, ny fahagagana, ny ady, ny tanana mahery, ny sandry natsotra ary ny asa lehibe sady mahatahotra, araka izay rehetra nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo ho anareo teo imasonao tany Ejipta?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Oviana no mba nisy Andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy tao afovoan’ny firenena iray hafa, tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe, toraky ny nataon’i Iaveh Andriamanitrareo ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa efa nisy ve andriamanitra sampy nanandrana nanafaka firenena anankiray teo an-tanan’ny firenen-kafa mba hatokany ho azy, ka nampiasa fizahan-toetra sy famantarana ary zava-mahagaga sy ady ombàn’ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ary fampatahorana goavana? Tsia, kanefa teo imasoanareo indrindra no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitrareo izany rehetra izany ho anareo tany Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa va efa nisy andriamanitra izay nanandrana handeha haka firenena ho an’ny tenany, avy amin’ny firenena hafa, tamin’ny alalan’ny fizahan-toetra, ny famantarana, ny fahagagana, ny ady, ny tanana mahery, ny sandry natsotra ary ny asa lehibe sady mahatahotra, araka izay rehetra nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo ho anareo teo imasonao tany Ejipta?
malagasy