Deuteronomy 5:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka nilaza hoe: Indro, efa nampahitan’NY TOMPO Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin’ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin’ny olona nefa velona ihany ireo olona ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro i Iaveh Andriamanitsika efa naneho ny voninahitra amam-pahalebeazany tamintsika, ary isika efa nandre ny feony avy tao anatin’ny afo; koa hitantsika androany Andriamanitra miteny amin’ny olombelona, ary ny olombelona dia mbola velona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny tranony, na ny taniny, na ny mpanompony, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho fananany.»
Malagasy Bible 1865
ka hoy ianareo: Indro, efa nampahitain'i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin'ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin'ny olona, nefa velona ihany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka nilaza hoe: Indro, efa nampahitan’NY TOMPO Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin’ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin’ny olona nefa velona ihany ireo olona ireo.
malagasy