Deuteronomy 5:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? Fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon’NY TOMPO Andriamanitsika indray izahay dia ho faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny nahoana no dia ho faty izahay? Fa ho levon’io afo lehibe io izahay, ary ho faty izahay, raha mbola mandre ny feon’i Iaveh Andriamanitsika indray.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo didy ireo no nampitain’ny TOMPO tamim-peo mahery tany an-tendrombohitra, avy tao anatin’ny afo sy ny setroka ary ny rahona mikitroka. Ianareo Israelita rehetra izay tafavondrona teo am-bodin’ny tendrombohitra no nampitany azy ary tsy nanampiany na inona na inona. Ireo didy ireo avy eo dia nosoratany tamin’ny takela-bato anankiroa izay natolony ahy.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon'i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? Fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon’NY TOMPO Andriamanitsika indray izahay dia ho faty.
malagasy
Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon'i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.