Deuteronomy 6:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
trano feno zava-tsoa rehetra izay tsy ianao no nahafeno azy; lavaka famorian-drano nohadiana eo amin’ny vato izay tsy nolavahanao; tany voavoly voaloboka sy hazo oliva izay tsy nambolenao; ary rehefa mihinana ianao ka voky
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
trano feno zava-tsoa isan-karazany tsy nofenoinao, dobo famorian-drano tsy nolavahanao, voaloboka amam-pototr’ôliva tsy nambolenao, dia hihinana sy hivoky ianao;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hahita tanàna lehibe sady tsara izay tsy ianareo no nanorina azy, sy lavaka famorian-drano izay tsy ianareo no nandavaka azy, ary saham-boaloboka aman’ôliva izay tsy ianareo no namboly azy; ka hihinana sy hivoky ianareo.
Malagasy Bible 1865
sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin'ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
trano feno zava-tsoa rehetra izay tsy ianao no nahafeno azy; lavaka famorian-drano nohadiana eo amin’ny vato izay tsy nolavahanao; tany voavoly voaloboka sy hazo oliva izay tsy nambolenao; ary rehefa mihinana ianao ka voky
malagasy