Deuteronomy 6:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba hatahoranao NY TOMPO Andriamanitrao, hitandremanao ny lalànany rehetra sy ny didiny izay omeko anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ka hitandrina ny didy aman-dalàny rehetra nandidiako anao ianao, amin’ny andro rehetra hiainanao, ka hohalavaina ny andronao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tanjona kendrena, ho an’ny andro rehetra iainanareo, dia ny hanajanareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka hitandremanareo ny lalànany sy didiny rehetra izay ampitaiko aminareo sy amin’ny taranakareo mba ho maro andro ianareo.
Malagasy Bible 1865
mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba hatahoranao NY TOMPO Andriamanitrao, hitandremanao ny lalànany rehetra sy ny didiny izay omeko anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
malagasy