Deuteronomy 6:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO nandidy antsika mba hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra NY TOMPO Andriamanitsika mba hahita soa mandrakariva isika ary ho velona tahaka ny amin’izao anio izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary i Iaveh nandidy antsika hanaraka izany didy rehetra izany, sy hatahotra an’i Iaveh Andriamanitsika mba ho sambatra mandrakariva isika, sy hitahirizany antsika ho velona, araka izao ankehitriny izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nodidian’ny TOMPO isika hanatanteraka ireo lalàna rehetra ireo sy hanaja Azy TOMPO Andriamanitsika, mba ho sambatra lalandava sy ho velona aina tahaka ny amin’izao anio izao.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO nandidy antsika mba hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra NY TOMPO Andriamanitsika mba hahita soa mandrakariva isika ary ho velona tahaka ny amin’izao anio izao.
malagasy
Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.