Deuteronomy 6:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mihainoa, ry Israely, ary mitandrema amin’ny fanarahana izany, mba hahita soa ianao ka hitombo indrindra, araka izay nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao taminao, rahatrizay any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa henoy izany, ry Israely, ary mitandrema ny mba hanatanteraka izany, mba ho sambatra sy hitombo isa be ianao, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely, araka ny nolazain’i Iaveh Andriamanitry ny razanao anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Henoy izany, ry vahoaka Israely, ary imasoy ny hanatanteraka azy, mba ho sambatra sy hitombo isa ianareo any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.
Malagasy Bible 1865
Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mihainoa, ry Israely, ary mitandrema amin’ny fanarahana izany, mba hahita soa ianao ka hitombo indrindra, araka izay nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao taminao, rahatrizay any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely.
malagasy