Deuteronomy 7:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa entin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana dia firenena maro, izay firenena fito lehibe sy mahery noho ianao, no ho voaroakany hiala eo anoloanao: Ny Hetita, ny Girgasita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh Andriamanitrao anao any amin’ny tany halehanao hakana azy ho fanananao, ary firenena maro no efa voaroakany eo anoloanao, ny Heteanina, ny Gergeseanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina, ny firenena fito, maro isa sady mahery noho ianao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin’ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta.
Malagasy Bible 1865
Rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa entin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana dia firenena maro, izay firenena fito lehibe sy mahery noho ianao, no ho voaroakany hiala eo anoloanao: Ny Hetita, ny Girgasita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.
malagasy
[Ny amin'ny handringanana ny Kananita] Rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.