Deuteronomy 7:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny menakao; hitahy ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’osinao any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razanao homena anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho tiany sy hosoaviny ary hampitomboiny ianao, hosoaviny ny naterakao sy ny vokatry ny taninao koa, dia ny varinao, ny ranom-boalobokao vaovao, ny diloilonao, ny terak’ombinao, ny zanak’ondrinao, any amin’ny tany nianianany tamin’ny razanao homena anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, ho tiany sy hotahîny ary hohamaroiny ianareo; hotahîny ny zaza haterakareo sy ireo vokatry ny taninareo, dia ny varinareo sy ny divainareo ary ny menakareo; hotahîny koa ny vokatry ny fiompianareo, dia ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razambenareo fa homena anareo.
Malagasy Bible 1865
dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razanao homena anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny menakao; hitahy ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’osinao any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razanao homena anao.
malagasy