Deuteronomy 7:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Holevoninao ny firenena rehetra izay hatolotry NY TOMPO Andriamanitrao anao, koa aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Levòny ny vahoaka rehetra hatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao; aza miantra azy ny masonao; ary aza manompo izay andriamaniny, fa ho fandrika ho anao izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hofongoranareo tsy hisy antra mihitsy ny firenena rehetra izay hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo; ary aza tompoinareo ny andriamaniny, fa ho fandrika hampanompo sampy anareo ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Holevoninao ny firenena rehetra izay hatolotry NY TOMPO Andriamanitrao anao, koa aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
malagasy
Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.