Deuteronomy 7:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ny fizahan-toetra lehibe izay efa hitan’ny masonao, ny famantarana, ny fahagagana, ny tanana mahery ary ny sandry nitsotra, izay namoahan’NY TOMPO Andriamanitrao anao avy tany; fa toy izany no hataon’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny firenena rehetra izay atahoranao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Masonao no nahita ny fampahoriana lehibe, ny fahagagana sy ny zavatra mahatalanjona, ny tanana mahery sy aman-tsandry ahinjitra izay nampivoahan’i Iaveh Andriamanitrao anao; toy izany no hataon’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny vahoaka rehetra atahoranao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Masonareo no nahita ny fampahoriana mafy nafitsony an-dry zareo, ny famantarana sy zava-mahagaga vitany ary ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina namoahany anareo tany Ejipta: toy izany koa no hataon’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny firenena rehetra izay atahoranareo!
Malagasy Bible 1865
dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny firenena rehetra izay atahoranao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ny fizahan-toetra lehibe izay efa hitan’ny masonao, ny famantarana, ny fahagagana, ny tanana mahery ary ny sandry nitsotra, izay namoahan’NY TOMPO Andriamanitrao anao avy tany; fa toy izany no hataon’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny firenena rehetra izay atahoranao.
malagasy