Deuteronomy 7:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hatolony eo an-tananao ka hofoananao tsy ho re etỳ ambanin’ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao fa haringanao avokoa izy rehetra mandra-pahalaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatolony eo an-tananao ny mpanjakan’izy ireo, ary ho foananao atỳ ambanin’ny lanitra ny anaran’ireny. Tsy hisy olona hahatohitra anao mandra-paharinganao azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hatolony eo an-tananareo koa ny mpanjakany ka ho foananareo tsy ho re laza intsony eto amin’izao tontolo izao; tsy hisy olona hahatohitra anareo mandra-paharinganareo azy.
Malagasy Bible 1865
Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony atỳ ambanin'ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hatolony eo an-tananao ka hofoananao tsy ho re etỳ ambanin’ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao fa haringanao avokoa izy rehetra mandra-pahalaniny.
malagasy
Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony atỳ ambanin'ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.