Deuteronomy 7:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho tonga zavatra voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany satria zavatra voaozona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka aza mampiditra fahavetavetana ao an-tranonao, fandrao dia voaozona ho anatema toa azy koa ianao; aoka ho zavatra hàlanao indrindra aminao izany, fa zava-boaozona ho anatema.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza mampiditra sarin-tsampy ao an-tranonareo ianareo, fandrao ho mendrika haringana miaraka aminy; ho hàlanareo indrindra sy ho zava-mahatsiravina tokoa eo imasonareo izany, satria zavatra tsy maintsy haringana tanteraka.
Malagasy Bible 1865
Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho tonga zavatra voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany satria zavatra voaozona.
malagasy
Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.