Deuteronomy 7:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao kosa no ataovinareo aminy: Horavanareo ny alitarany, hovakivakinareo ny tsangambaton-tsampiny, hokapainareo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary hodoranareo amin’ny afo ny sarin-javatra voasokitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no ataovy amin’izy ireo: ravao ny ôteliny, montsàny ny tsangam-batony, kapao ny aserîmany, ary doroy amin’ny afo ny sarin-javatra voasokiny;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izao kosa no ataovy amin’ireny firenena ireny: ny alitarany, horavanareo; ny tsangambaton-tsampiny, hovakivakînareo; ny tsato-kazo fanajany an’i Aserà, hokapainareo; ary ny sarin-tsampiny voasokitra, hodoranareo.
Malagasy Bible 1865
Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin'ny afo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao kosa no ataovinareo aminy: Horavanareo ny alitarany, hovakivakinareo ny tsangambaton-tsampiny, hokapainareo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany* ary hodoranareo amin’ny afo ny sarin-javatra voasokitra.
malagasy
Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin'ny afo.