Deuteronomy 7:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa ny nitiavan’NY TOMPO anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ny razanareo no nitondran’NY TOMPO anareo tamin’ny tanany mahery sy nanavotany anareo tamin’ny trano nanandevozana, dia tamin’ny tanan’i Farao, mpanjakan’i Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa noho ny fitiavany anareo, sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin’ny razanareo, dia nentin’i Iaveh nivoaka, tamin’ny tanana mahery, sy navotany tamin’ny trano fanandevozana ianareo, dia tamin’ny tanan’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha nentin’ny TOMPO tamin’ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin’ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan’ny Farao mpanjakan’i Ejipta, dia satria tian’ny TOMPO ianareo ary tandroviny aminareo ny fianianana nataony tamin’ny razambenareo.
Malagasy Bible 1865
fa ny nitiavan'i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin'ny razanareo no nitondran'i Jehovah anareo tamin'ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin'ny trano nahandevozana dia tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa ny nitiavan’NY TOMPO anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ny razanareo no nitondran’NY TOMPO anareo tamin’ny tanany mahery sy nanavotany anareo tamin’ny trano nanandevozana, dia tamin’ny tanan’i Farao, mpanjakan’i Ejipta.
malagasy