Deuteronomy 8:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny lalàna rehetra izay omeko anao anio dia tandremo ka araho, mba ho velona sy hihamaro ianareo ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanareo homena azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mitandrema tsara hanaraka ny didy rehetra nandidiako anareo androany, mba ho velona ianareo, sy hihamaro ary hiditra haka ho fanananareo ny tany izay nianianan’i Iaveh homena ny razanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny didy izay ampitaiko aminareo anio dia imasoy avokoa ny hanatanteraka azy, mba ho velona ianareo sy hihamaro ary hiditra haka ho fanananareo ny tany izay tamim-pianianana no nampanantenan’ny TOMPO azy ny razambenareo.
Malagasy Bible 1865
Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny lalàna rehetra izay omeko anao anio dia tandremo ka araho, mba ho velona sy hihamaro ianareo ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanareo homena azy.
malagasy
[Fampahatsiarovana ny nitondran'Andriamanitra ny Isiraely sy ny nampanetreny tena azy, ary fananarana azy, andrao miavonavona izy ka manadino an'Andriamanitra] Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy.